KABARIN’ NY PERE PEDRO FAHATONGAVAN’NY POLISY ETO AKAMASOA ANDRALANITRA

ANDRIAMATOA MINISITRY  NY POLISY RANDRIANARISON FANOMEZANTSOA RODELLYS !

 Andro lehibe  ho an’ ity  faritra Andralanitra ity  androany   dia ny fahatongavanao  Andriamatoa Minisitra, miaraka  amin’ny  mpiara-miasa  aminao,  izay manana andraikitra  lehibe amin’ny Filaminam- bahoaka .

Efa  31 taona izahay izao, niady amin’ny fahantrana eto amin’ ity faritra malaza   sahirana be ity, izay lasa Tanàna  mahate-hotia sy madio ankehitriny no ahitanareo azy .

Asan’ Andriamanitra izany , ary ireo  Ray aman-dreny tia  zanaka , tia  ny marina,  tia  fandrosoana,  tia  soa iombonana  no monina  ato.

Nefa misy ihany koa ireo olona  tsy maty manota,  na ireo olona tsy miraharaha na inona na inona  anatin’ ny fiarahamonina. Ireo olona ireo  dia 10 isan-jaton’ ny mponina eto Andralanitra ankehitriny ary te hanjakazaka amin’ny ireo olona marina sy tia  fandrosoana.

Sarotra amiko  ny milaza  fa  faly amin’ny fahatongavan’ny Polisy amin’ ity Tanàna  ity, kanefa noho ny mbola misy olona ratsy ato, tsy tia namana , tsy tia fihavanana , tsy tia  fandrosona  ka mandrava ny fiaraha-monina, dia faly mandray anareo izahay.

 Anatrehan’ izany dia   tsy maintsy nanao  antso avo tamin’i  President- ny Repoblika  aho, hanampy anay  mba tsy  ho rava ity asa  natombok’ Andriamanitra  ity. Hamerina ny hasina  sy ny zo  maha-olona    amin ’ity faritra   Andralanitra ity, izay nijaly dia nijaly tamin’ ny andro taloha, nefa ankehitriny izao mandroso, saingy indrisy  anefa fa misy ihany ireo  olona  sy  tanora vitsivitsy tsy miraharaha ny  fiarahamonina  ka mampisy disadisa  sy fisaraham-bazana.

Koa anatrehan’ izany dia  mandray  ny Mpitandro Filaminana izahay mba  hampiova ireo olona  tsy tia soa iombonana  sy mandrava ny  Tanidrazana ireo. Satria ireo olona ireo  dia mivarotra  rongony izay  mampisy  herisetra  mihoa-pampana  amin’ny  tokantrano , amin’ny vadiny sy ny zanany sy ny fiaraha-monina .

Ankoatr’izany koa dia ny  fanolanana ny ankizivavy , ka mitady hanao “arrangement fotsiny”. Tsy ekena izany na oviana  na oviana   raha mbola mijoro  ny  Hetsika AKAMASOA  amin’ity Andralanitra ity. Ny zon’ ny ankizy  sy ny vehivavy dia  arovana hatramin’ny farany .

Ao  koa ny Toaka mahery  amidy eran’ ny  tanàna  ka mahamamo sy mampiady  olona, nefa ireo mpivarotra  dia tsy taitra amin’ izany vokatra ratsy izany . Fa  ny vola no nataony ambony sy lolohaviny, toy izay ny  soatoavina sy ny fitiava- namana  ary ny soa iombonana . Tsy mampaninona azy raha maty avy eo ilay olona na manao herisetra ao an-tokantrano.

Anatrehan’ izany dia  izahay ato amin’ny Akamasoa  amin’ny alalan’ ny Fianarana , Fanabeazana sy ny Fivavahana   ary  ny Fanatanjahan-tena dia manao izay  tratrin’ ny ainay mba  ho vonjena ny ankizy sy tanora maro an’isa  mba hianatra , mijoro ho maotina sy  manaja ny  soatoavina  Malagasy ary   mitsangana  ho olo-marina  anatin’ ny  fiarahamonina . Betsaka ireo tanora   tsy menatra ary tsy matahotra  intsony mijoro amin’ izany  fahamarinana   ankasahiana izany.

Nefa noho ireo olona ratsy ireo  manao herisetra dia   voatery  miantso anareo  Polisy  mba hanampy  an’ny Ray aman-dReny  sy ny Vahoaka te  hiasa am-pilaminana  ary te hampandroso ny  ankohonana sy ny zanaka .

Izahay eto dia manao  fanentanana  matetika, indrindra  amin’ny alalan’  ny fivorian’  ny arivo lahy , nefa izay tapaka androany  dia adino  rahampitso. Dia manjary  omaly  tsy miova ny zavatra rehetra.

Eto anatrehanao,  Mr Le Ministre,  dia milaza  izahay fa tongasoa  miara miasa   amin’ny  Vahoaka amin’ny ity faritra  Andralanitra ity ianareo Mpitandro Filaminana . 

Enga anie ny  Polisy miasa eto mba ho  marina  sy mahafoitena  amim- pahamarinana.  Efa niaraniasa tamin’ny Polisy izahay   teo aloha ka  avy eo dia  tsy nitohy  ny asa , satria tsy  nisy vokatra  sy fiovana  firy .

Ankehitriny manana   President vaovao, mavitrika sy  marina,  ary tia ny fandrosoana , ka noho izany dia  manantena  izahay  fa  hiara miasa isika  hanadio ny Tanàna  amin ‘ireo olona  tsy maty manota, mamono  sy manimba ary mandrava ny fiaraha- monina.

Ny mahazatra anay ato amin’ny Akamasoa , dia milaza ny marina mivantana  fa tsy ankolaka , ary eto aminay ny teny  filamatra  dia ” Asa  fa tsy kabary “ ,  ao koa  ny teny hafa manankery  eto  dia “ Izay tsy miasa aoka tsy hihinana”  ary “Tolona sy Fivavahana”.

Misaotra  an’ny  President  ny Repoblika ANDRY RAJOELINA  tia sy manampy ny vahoaka  madinika.

Misaotra anao  Mr Le Ministre de la Sécurité Publique , sy ny mpiara miasa aminao tonga marobe  manambara izao finiavana lehibe izao, fa hiaro ny tanàna sy ny vahoakan ’ Andralanitra  izay nijaly hatramin’ izay  ka hatramin’ izao .  Ka io fijaliana io  nahavery ny fanahin’ ny sasany ka latsaka anatin’  ny zava mahadomelina :  toaka , rongony, fanolanana, famonoana vady sy zanaka, rendra rendra isan- karazany, halatra  sy  herisetra  tsy azo lazaina.

Mino izahay  fa amin’ny Herin’ny   Fahendren’  Andriamanitra  sy  ny fahavononan’ ny Polisy sy ny  Vahoaka ato amin’ny faritra  Andralanitra  dia  hiova ho marina sy ho tsara kokoa ity Tanàna mahatehotia ity .

“Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto “  ary “ Ny marina tsy mba maty “!

Père Pedro.

Andralanitra, faha 12 may 2020