“TARATASY FANAIRANA HO AN’NY VAHOAKA AMIN’IZAO FAHA 60 TAONAN’NY FAHALEOVANTENAN’I MADAGASIKARA SY FAHA 31 TAONAN’NY AKAMASOA IZAO”

Andralanitra, faha 08 JIONA 2020

Nivory ny  Komity iombonana, miaraka ny Birao  Akamasoa  sy Mompera, mba handinika momba ny  zava-misy ao an-tanàna  tsirairay avy. Nojerena ny lafiny  tokony  amboarina amin’ny izao 31 taona   Akamasoa izao  ary ny fankalazana ny  60 taona Fahaleovantenan’i Madagasikara.

Tsapan’ ny mpivory fa mila ezaka lehibe isika mianakavy  eo amin’ny lafin’ ny fiainantsika manontolo. Manomboka amin’ny fiovana ny Toetsaina. Mila toe- tsaina vaovao ary miala ny  toe-tsaina lomorina teo aloha izay  nampahantra antsika. Miezaka manabe ny zanaka  mba ho olombanona satria ny  fianarana no” lova tsara indrindra”!

Tsy maintsy mandray andraikitra  amin’ny fianakaviana   sy manamboatra ny simba  rehetra. Betsaka ny trano simba nefa jerena  fotsiny , miandry olona  hanao azy nefa ianao ihany no mipetraka ao. Misy vidiny io trano io.

Ny simba manambara  fa  ny fianakaviana mipetraka ao tsy nandray andraikitra ary  tsy mazoto miasa.Torak’ izany ny fahadiovana, maloto ny Tanàna  ary ny trano sy ny tokotany.  

Soa ihany fa misy ny mahalala madio. Tsy manadino ny fikarakarana ny zavaboary sy tontolo iainana.

Mampalahelo fa misy olona manao fitakiana.  Fantaro fa tsy misy manana  zo mitaky na inona na inona ato, satria samy miasa  amin’ny fitiavana. Tsy misy amintsika ny  “atero ka alao”.

Aoka tsy ho adino fa mandoa hofatrano sy ny Tsena isam-bolana ny fianakaviana mipetraka amin’ny trano Akamasoa ka manaitra anao hanatanteraka izany fandraisana anjara kely izany.

Ankoatra izany, mila  fiovana  lalina  amin’ny zava-mahadomelina  toaka  sy rongony, izay mamono “ny fanahy maha olona” ary mampiala antsika amin’ny fiarahamonina.

Ny tsy miraharaha sy fakamoana mahatonga ny sasany mangalatra, ka misy Tanàna sasany manjaka ny halabotry. 

Ao koa  ny  tanora  vavy  na lahy milalao  rendrarendra, ny ray amandreny mangina  ary miafara amin’ny  fanambadiana alohan’ny fotoana, ka matetika  tsy maharitra, misaraka eo no ho eo.

Efa ela isika ato Akamasoa nikasa momba  ny fahaleovantena   mba samy tompon’ny fivelomana, fianarana  sy fitsaboana. Nefa isika mbola  miankina lava  amin’ny fanampiana avy amin’ny Akamasoa sy avy any Ivelany. Ny Akamasoa tsy afaka misolo ny Fanjakana  Malagasy.

Ny ray amandreny izay tia ny zanany dia tsy maintsy manabe azy mba hianatra aloha, manomana ny ho avy.

Ary  izay manana trano sy asa  no afaka mamorina  tokantrano vaovao sady ampy taona no matotra.

Angatahina ny mponina Akamasoa rehetra mba manao ny “caisse maladie” raha tiany  hanampy azy ny Akamasoa amin’ny fitsaboana.

Izay rehetra tsy miezaka ary sanatria  manao tsinontsinona ireto fepetra ireto  dia  voatery miala amin’ny tranony izany olona izany. Azo lazaina, izy ihany no mampiala ny tenany noho izy tsy  nitandrina  ny Dina.

Tato ho ato efa nisy olona roa  niala ny tranony, ny iray nivarotra  rongony, ny iray nanolanana zazavavy. Ny olona manao ratsy tsy miantsy miala, dia mandeha monina any  ivelan’ny Akamasoa.

Akamasoa Tsy manaiky ireo olona  manao “mpitaribato vilam-bava”. Milaza  miova  nefa tsy miova.

Raha miasa sy manaja  ny DINA  Akamasoa  ianao sy ny fianakavianao dia  arahaba soa arahaba tsara . Ianao sy ny zanakao no tompon’ny Akamasoa.  Fa raha ianao  manao tsinontsinona  ny  asa Akamasoa  sy ny tarigetrany dia ianao  no mampiala ny tenanao  ato amin’ny trano  nidiranao  tamin’ny  fomba  madio, nefa avy eo ianao  mivadika  ka manohitra ny toe-tsaina  sy ny soa iombonana.

Raisina ankafaliana izay manaja  sy tia ny Akamasoa, ary te  hiara-monina amintsika  hanatsara  ny faripiainana  hahasoa ny ankohonana sy ny taranaka.

Angatahina fa alohan’ny  fankalazana  ny Fahaleovantenan’i Madagasikara  amin’ny  26 Jiona  dia samy miezaka  manatsara  sy manadio  ny tranony sy ny manodidina azy mandritra ny taona .

 Raha tsy misy  fiovana  dia mandray andraikitra ny  Komity,  ny Securité  ary ny Birao Akamasoa miaraka amin’ ny Mompera  mba hanasazy izany fianakaviana tsy manaraka ny fepetra  sy ny  Dina Akamasoa ary ny Lalàna velona mifehy ny olom-pirenena rehetra eto amin’ny Firenena.

Marary izao tontolo izao ary marary koa ny fanahintsika. Ka tsy maintsy mianatra miara monina isika ary miverina amin’ Andriamanitra. Mila fibebahana maharitra sy fivavahana marina  isika . Aza mamita-tena fa Andriamanitra mahita ny ataonao .

Hankalaza amin’ny fo, fanahy sy saina madio  ary mendrika izao fety ny 60 taona ny Fahaleovatena ny Tanindrazantsika  sy ny 31 toanan’ny Akamasoa.

 Adidy masina ho an’izay manana  saina sy fanahy izao antso  fanairana izao. Raiso ho fankaherezana izao taratasy nataonay izao ho anao  ary ho antsika rehetra izay Tia an’Andriamanitra, Tia Fiangonana, Tia Tanindrazana  ary Tia ny fianakaviana.

 “Asa fa tsy kabary“ ary aza adino: ”Toky fitaka fa ny atao no hita”.

Miezaha manomboka izao dia izao. Ho ela velona ianao  sy ny ankohonanao. Ho ela velona  ny Firaisankina sy ny tolona Masina ato amin’ny Akamasoa . Samia Ho Tahin’Andriamanitra.

Hoy ny  Komity Iombonana,

Birao Akamasoa

Mompera Pedro!