ANTSO AVON’ NY PAKA HO AN’NY TANORA AKAMASOA, 24 avril 2017

Ry tanora mpianatra Akamasoa, nataoko antso avo tamin’ny andron’ny PAKA lasa teo ho anareo tanora rehetra, mba  handray andraikitra, miova famindra, miova ho olona vaovao, mahafoy tena ho tia namana, miaro ny soa iombonana, mijoro amin’ny fiainana mendrika sy marina, tsy matahotra  tsikerain’ny hafa ary manohitra ny  riaky ny  rendrarendra sy ny  fiantsaram-belatsihy.

Ny 23 Avril 2017, indray tamin’ny Alahady ny Famindram-pon’Andriamanitra, ny Eveka Monseigneur Benjamin Ramaroson avy any Antsiranana namangy antsika dia mbola nampahatsiaro antsika ny tenin’i Md Piera fa “Olona vaovao isika vita Batemy, ary mpanara-dia an’i Kristy”. Izy koa nanontany amintsika hoe: “ Ny finoanao an’i kristy izay mahatonga antsika hoe Kristianina, nanova ny fiainanao  sa nitondra anarana fotsiny hoe Kristianina nefa tsy manao ny marina, tsy mahafoy tena ho an’ny namana. Aiza ho aiza ianao ry mpianatra Akamasoa anatrehan’izany ?

Ny Eveka koa niteny hoe : «  Mandalo fotoana sarotra ny firenena ankehitriny, mitombo ny fitiavan-tena, mitombo ny risoriso, mitombo ny fiavonavonana, mitombo ny fialonana ary izany no mahatonga ny Firenentsika latsaka an-kady sy anaty herisetra izay tsy nisy teo aloha, ary izaho miteny aminareo izao izay tonga teto Madagasikara talohan’ny nahaterahanao, vavolombelona nahita izany. Ankehitriny nisaraka an’Andriamanitra ny olona maro, nanao tsinontsinona ny  fampianaran’i Tompo, manaiky ambava fotsiny ny finoana, ka mamitaka ny besinimaro.

Ianao ry mpianatra Akamasoa, manatrika izao telovolana farany izao: tiako ny mamangy sy mankahery anao, mba ho tonga saina marina, mahatsiaro tena marina ny adidy tsy maintsy tanterahanao amin’ny maha mpianatra anao, amin’ny maha olombelona anao na dia mbola kely aza ianao.

Tiako manosika anao mba hiroso amin’ny fiainana marina kokoa, amin’ny fiainana feno fahamarinana sy firahalahiana amin’ny fifampizarana ny manta sy ny masaka. Tiako manohana anareo mba tsy hiverin-dalana amin’ny fiainana ratsy teo aloha izay nanjakan’ny rendrarendra, ny zavatra mahadomelina isankazarany, ny fitondran-tena tsy mendrika:  lainga sy fitaka.

Amin’ny maha irak’Andriamanitra sy  Mpanorina ity Fikambanana Akamasoa ity ny tenako, tsy hangina na oviana na oviana aho,  hankahery anareo sy hamporisika anareo mba mifidy ny fiainana marina, ny lalana mankany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ary hikely aina aho handray antanana anareo, hitondra anareo amin’ny fiainana misy ny fifankatiavana marina, misy fahafoizantena, misy  herim-po manohitra ny ratsy  sy ny fankampanahy rehetra izay misy be dia be amin’izao fiainana diavinareo izao .

Azo lazaina fa marary ny fiaraha-monintsika amin’izao, ary izany aretina izany mora mifindra, dia inona no ataonao ry mpianatra Akamasoa mba hanohitra azy, mba tsy ho tratran’izany ianao?

Mbola tiako androany  manerina indray  ny antso avo  mba hiarina ianao ry tanora lahy sy vavy, mitrakà ianao hiatrika ny sarotra rehetra ao antokantrano, ao amin’ny fiaraha-monina, ao ampianarana. Tsy misy ry tanora mpianatra fiainana mora eto ambonin’ny tany, tsy misy fiainana mandeha ho azy, fa misy fiainana feno tolona masina raha manana finoana ianao, raha mino an’i Jesoa maty nitsangan-ko velona ianao, ary ao amponao Izy miteny aminao, ary eto anivontsika izao Izy raha isika manana maso feno fitiavan’Andriamanitra sy ny namana.

Ny Finoana Fanomezan’Andriamanitra, ka ny fiainana tsy maintsy mandalo amin’ny fisedrana mafy dia mafy, indrindra amin’izao andro diavintsika izao, na mijery fahitalavitra ianao, dia efa feno fihetsika mamoafady sady mitarika anao amin’ny fiainana malemilemy tsy zarizary ary fiainana anatin’ny maizina.

Ireo mpanentana ao amin’ny fahitalavitra ireo,  mitady fivelomana fotsiny ho an’ny tenany, tsy mampaninona azy ny sary alefany ao na mety manimba ankizy aza, na mampivily  amin’ny ratsy. Misy koa anatin’ny fianakaviana, ao antanàna te hanakivy anao tsy hianatra, fa varivariana amin’ny zavatra tsy mampisy ny hoavinao, ohatra ireo tanora izay latsaka amin’ny fankampanahy manambady tsy ara-potoana, mbola kely,  ka tapitra amin’izay ny hoaviny ary io tanora io efa naman’ny beantitra.

Hatraiza hatraiza misy vato misakana, ka esory amin’ny Herin’i Kristy sy ny Fanahy Masina izany vato misakana izany. Samy manana na olon-dehibe, na tanora, na iza na iza, samy manana vato misakana raha mbola olombelona. Ka manàna hevitra hentitra, mafy orina manana hazon-damosina fa tsy manaiky ho rebirebena.

Manana fahaizana ianao, manana talenta ianao, nahazo fahasoavana lehibe ianao, na ara-batana amin’ny “sport” izany, na ara-tsaina amin’ny fianarana izany, na ara-panahy, amin’ny fitiavam-bavaka izany sy amin’ny fitondran-tena maontina.

Eny ry mpianatra Akamasoa, antso avo ho anareo no ataoko anio, aza misalasala, aza menatra, aza matahotra miseho ho tanora manana finoana, manana fitiavam-bavaka, fitondran-tena maontina, aza menatra ianao, averiko indray : Raiso ny Hery omen’I Jesoa anao mba hiady isan’andro isan’andro amin’ny ratsy, reseo ny fahakamoana rehetra izay renin’ny zavatra ratsy maro. Mijoroa ho mpianatr’I Jesoa, mpanara-dia an’I Jesoa. Efa olona vaovao ianao izao, toe-tsaina vaovao, fo vaovao, fihetsika vaovao.

Ry mpianatra Akamasoa, tsy teny fotsiny izao ataoko izao, fa raiso ampitiavana, satria atolotro ampitiavana lehibe. Ny tanjoko dia mba tsy hisy ho very na iray aza aminareo mpianatra lahy na vavy.

Mijoroa amin’ny fahasahiana : ao amin’ny fianakaviana sy fiaraha-monina misy anao, ho olo-marina ianao, olona mahitsy fo ianao ka tsy hivadika intsony amin’ny fanekena nataontsika an’Andriamanitra tamin’ny Batemy, tamin’ny Komonio Voalohany sy confirmation.

Ry tanora mpianatra, angatahiko anareo, mianara amin’ny fo manontolo. Manampahaizana ianao, manana talenta ianao ka aza ariana, na alevina na ampatoriana izany. Aoka mavitrika ianao mandeha mianatra isan’andro satria asanao izany ary raha tonga mianatra, hajao ny namanao,  hajao ny Mpampianatra sy Mpanabe anao satria te hanampy anao ireo zoky ireo matoa nifidy ho Mpampianatra sy Mpanabe izy ireo.

Ry tanora, tohero mafy ny toetra feno fiavonavonana sy fiatsaram-belatsihy. Aoka raha “Eny” dia “eny”,  hoy I Jesoa. Tanteraho ny fanirianao ho marina, tanteraho ny fikasanao mba hanana asa sy  manana ny maha izy anao indray andro any. Ka androany ianao manomana io fa tsy rahampitso. Aoka manana tanjona mazava tsara amin’ny fiainanao ianao, dia tanjona hahaleo tena indray andro, ho olona feno ianao, ho olom-pirenena mahalala adidy sy andraikitra ianao ka arovy toy ny “anakandriamaso” izany tanjona izany.

Aoka ho feno fahasahiana ianao na dia sarotra aza ny miseho ho olona manana herim-po, fa vitanao izany satria I Jesoa miara-dia aminao. Ny Fanahy Masina manazava anao ary raha indray andro ianao mandalo fotoana sarotra : antsoy I Jesoa, antsoy ny Fanahy Masina manampy anao. Ary mivavaha amin’ny fo sy fanahinao manontolo. Ary antsoy ihany koa I Masina Maria Renintsika, hanampy anao tanora.

Ry tanora mpianatra Akamasoa, tsy ho kanosa na oviana na ovina isika ato amin’ny Collège misy antsika, Ecole Primaire  na Lycée na Ecole Supérieure, satria  raha mitambatra ny fontsika ho fo iray dia matanjaka, tsy misy maharesy antsika satria izay “mitambatra vato izay misaraka fasika”.

Ry Mpianatra Akamasoa, aoka ho fantatra fa mitondra fahazavana ho an’ny tanora namana any Antananarivo manontolo isika,  matoa napetrak’ Andriamanitra ambony vohitra toy izao isika, misy antony izany, misy dikany izany.

Amin’ny  fanomanana ny Fetin’ny Fanahy Masina amin’ny Pantekoty ho avy izao, mpiaro ny Fiangonantsika, aoka mikaroka isika tsirairay avy, manamboatra saina sy fanahy, hanatrika izany adidy sy tolona masina izany, satria mitondra fahafahana ianao, izaho, isika. Mitondra fahamarinana sy fivoarana tena izy. Ka hanomboka handray anjara ato amin’ny sekoly, tanàna misy antsika tsirairay avy. Tsy ho ataontsika ho tahàka ireo mpitondra sandoka sasany izay “mpitari-bato vilam-bava fotsiny”. Fa raha miasa isika dia miasa ary mitondra fanantenana tena izy ho an’ny fiaraha-monina misy antsika aloha, dia ho an’ny besinimaro avy eo.

Raha miova marina isika amin’ny herin’ny Finoana sy ny Fitiavana ny Tanindrazana, dia tsy manary fako manerana ny arabe ary manadio tanàna tsy ankijanona,  manaja sy tia ary miaro ny zava-boaary sy ny tontolo iainana.

Ity antso avo ity dia ataoko ho anao mpianatra 6ème farany madinika indrindra ka hatramin’ny 3ème zoky ary torak’izany ny Lycée sy ny Ecole Supérieure.

Antso avy amin’I Kristy,  avy amin’ny Vaovao Mahafaly, avy amin’ny Tenin’Andriamanitra izany. Fanamby lehibe izany ho antsika rehetra : Mpampianatra sy Mpitarika ny Akamasoa rehetra. Fa ianareo ry mpianatra no maro an’isa indrindra ary ianareo  no manana hery sy tanjaka kokoa nohon’ny

Ray aman-dReny, noho izany, ianao no tokony mirotsaka ankasahiana kokoa sy ampaharetana amin’ny fanatanterahana ny tanjona sy ny fiovana ary ny fandrosoana izay andrasana hitarika antsika amin’ny fiainana feno fanajana, hafaliana sy hasambarana.

Izay rehetra vonona manantanteraka izany, aoka miteny amin’I Jesoa izay ao ampony ny fahavononany.

Ary fantaro fa “indray mandeha monja no mandalo eto ambonin’ity tany ity  isika ka izay fotoana nalahatr’Andriamanitra ho anao sy ho ahy, dia fenoy asa soa, asa fitiava-namana, asa fandrosoana fa aza asiana asa ratsy na oviana na oviana. Ka izao andro diavintsika izao no fanatanterahana ny Sitrapon’ Andriamanitra ho antsika tsirairay avy.

Devoir no omeko anareo izao :

1-Tadiavo ireo  aretina sy ireo vato misakana izay hitanao ao an-tokatranonao sy ny fiaraha-monina misy anao . Mifanakaloza  hevitra miaraka amin’ny Mpampianatra ianareo momba izany satria izao antso avo izao tsy maintsy miteraka asa mivaingana sy fiovana mitondra fanantenana avy eo.

2- Tadiavo ny soatoavina Malagasy izay heverinao fa tsy tokony hadino  na ho very mba ahafahantsika miray monina, mifanampy sy manomana ny ho avy.

3- Fantatrao  inona ny toerana misy anao amin’izao  ry tanora mpianatra Akamasoa amin’izao tolona sy  ezaka manohitra ny fahantrana ataon’ny Akamasoa izao, sa tsy manana toerana mihintsy ianao ka mandeha ho azy fotsiny. Ohatra raha ekipa mpanao baolina isika izao, samy manana ny anjara toerany ao amin’ny terrain, ka inona no anjara toeranao ato anatin’ny Akamasoa?

Ry tanora mpianatra Akamasoa, mijoroa ary mandraisa anjara amin’izao tolona ataon’ny Akamasoa izao mba hahasoa anareo tanora indrindra indrindra ! Ianareo no lohalaharana amin’ny asa rehetra ataon’ny Akamasoa satria ianareo no ho avin’ny Akamasoa sy ny Firenena androany fa tsy rahampintso.

Misaotra anareo raha nihaino sy nandray  izao antso avo nataoko izao !

Samia ho tahian’Andriamanitra isika!

Père Pedro