FANASANA NATAON’NY FIANGONANA LOTERANA MALAGASY AVY AO TANJOMBATO AN’I PÈRE PEDRO

Ry Kristianina Havana  ato amin’ny Fiangonana FLM

Misaotra an’ Andriamanitra  fa afaka mifanerasera isika samy zandrin I Jesoa Kristy amin’ny izao  alahady 17 mars   tolakandro izao mba hifampizara ny traikefa ny finoantsika , satria ny finoana arahin’ asa  eo anivon ny vahoaka Malagasy no manana  ny lanja sy hasina ary fahefana mampieritreritra sy mahasarika ny olona.

Misaotra  lehibe an’ny  Pastora Andriamampionona  Liva Marinjaka nanasa ahy  ho tonga aty amin’ny  Fiangonanareo   hifampizara fahasoavana  sy  fitiavan’ Andriamanitra amintsika  mpianadahy  ao amin’ny Tompo .

Misaotra anareo  rahalahy sy anabavy kristianina FLM rehetra  tonga amin’ izao tolakandro  izao , na dia betsaka ny asa ao an-tokan-tranonareo .

Tena velona tokoa  ny finoanareo satria mahafoy fotoana mihaino ny fifampizarana  ataonay  izao .

Matoa velona toy izao ny Fiangonanareo  satria misy  fahasoavana noraisinareo  amin’ny alalan ny ireo Pastora sy kristianina mafana fo  nifandimby ato amin’ny  Fiangonanareo   .

Fahasoavana lehibe izany sady noraisinareo sy namokatra teto aminareo izany finoana  izany .

Ny  fihetsem-po  voalohany  ho ahy   dia taitra  mahita anareo manana  izao finoana velona sy  mivelatra izao .

Tianareo  mandinika sy mandalina momba ny asan’ ny misiona  izay  tokony atao ho adidy masina  izay  rehetra nandray ny Batemin ‘ i Jesoa .

Izy naniraka antsika mba hitory ny Filazantsara amin’ny olona sy firenena rehetra .

Maro ihany ireo kristianina  nandray ny Batemin’ i Jesoa ,nefa  tsy mahalala  ary tsy taitra  miaina  sy mampiely   azy , ary  mizara ny  finoana  sy ny fahazavana  azony  .

Ny  famonjena no raisintsika tamin ny batemin’ i Kristy dia  mankahery antsika mizara azy amin’ny  namana sy ny olona hafa rehetra.

Hoy I Jesoa amintsika mpianany  tamin’ I Mathieu 28,16-20 et Marc  16, 15

“Mandehana amin’ny firenena  rehetra ary torio ny Vaovao Mahafaly ”

Ny  batemy  noraisintsika an-sitrapo  dia vokatra ny finoana nekentsika  ka

toy ny afo mirehitra izy , tsy maintsy   ho zaraina  amin’ny namana sy fianakaviana sy ny  foko  ary ny Firenena rehetra .

Tsy amin’ny teny ihany  fa indrindra amin’ny alalan ny asa  mivaingana azo tsapaina tanana . “ Vavolombelona ny mpiasa ny bainga voavadika “ !

Isaky  ny “ generation” mety miova ny fomba fitoriana ny Vaovao Mahafaly.

Mpianatry I Jesoa isika   na dia samy hafa ny Fiangonantsika . Nefa  ny Tenin ‘Andrimanitra  sy ny Filazantsara dia iray ihany . Dikany izany iray ny Fanahy Masina mamelona sy  manentana  ny fo , saina sy fanahy ny olombelona rehetra maneran- tany  .

I Jesoa  niteny hoe  amin’ny  Matio 23,1-12  :”ianareo  rehetra dia mpirahalahy sy mpirahavavy “ !

Ny ahafantaranareo  sy nanasanareo ny tenako dia noho ny  asa sy  Hetsika Akamasoa.   Ny toe-panahin ny Jesoa  , no toe-panahy ny Akamasoa .

Ry havana malala ,isika iray tampo amin’ ny  Jesoa Tompo ,ka hitenenako anareo ampanetren-tena sy  ampahatsorana  ny zava misy ary mampijaly  tsy ara-drariny ny madinika  ka tsapa  sy hitanay  anatin’ny fiaraha-monina ankehitriny izao, indrindra amin’ny toerana iainanay isan andro  .

Ao amin’ny   AKAMASOA  ,  tsapanay fa mihasimba ny toe-tsaina ao anaty fiaraha-monina, mitombo ny halatra, ny fanolanana, ny fahafetsena sy ny tsy firaharahiana indrindra amin’ireo tanora tsy an’asa mipetrapetraka sy mitangorona eny amoron-dalana sy eny an-tsena.

Ary tena loza lehibe dia ny rongony manjaka amin’ny  lehilahy tanora sy olon-dehibe,ka mahatonga ny fanolanana be dia be ankehitriny . Tokony  sazina  mafy ny mpamboly sy  mpivarotra rongony izay mamono ny ho avy ny tanora.

Tsapanay koa fa ireo tompon’andraikitra ny Fokontany sy Kaominina tsy manana fahasahiana mananatra sy manentana ny vahoaka amin’ny discipline,satria matahotra miteny  fa indrindra  ny valy faty .

Tokony averina ny hasina ny Andry Maso Pokonolona.  Ao koa ireo mpitandro filaminana  sasany tsy azo tsapain-tanana ny fisian’izy ireo anatin ny fiaraha-monina. Tsy ampy ny ezaka , mipetraka ao amin’ny birao   miandry fitoriana!

Ny ankamaroan’ny Tanàna samy mandeha ho azy , tsy misy Raimandreny sahy miteny. Ny vahoaka  maro dia  tsy misy tanjona ho tratrarina sy Hasina ary  tsy mahalala fady  intsony.

Raha ny fanajana ny FAHADIOVANA  ,ny an’ny sasany dia tsy misy henatra sy tahotra intsony manary fako hatraiza hatraiza .

Misaotra amin’ny President ny Repoblika  nanome baiko ny PDS vaovao  mba hanadio haingana ny Tanana  Reninvohitra.

Tokony hasandratra indray ny herim-pon’ny vahoaka  isaky ny Kartié mba hiezaka isan’andro, ary hahafoy tena sy  hiaro sy ho tia  ny soa iombonana.

Tsapanay fa betsaka ny olona voafidy nefa raha sendra mandray fitenenana , toa tsy misy lanjany satria tsy arahin’asa ny teny nolazainy.

– Amin’izao fotoana be orana izao, betsaka ny olona sahirana, tsy ampy sakafo,  miteté  sy tery ny trano ka manjary mila ho kivy ny vahoaka ary ny sasany zara raha miaina. Soa  fa misy ny fanabeazana sy Cantine  an-tsekoly Primaire –mba ahazoan’ireo mpianatra hafaliana kely  mba hisy fiovana indray andro.

Ny vahoaka voatery miangavy  ny olona voafidy ,ao amin’ny  sehatra  isan ambaratonga  mba hitondra asa sy fanantenana ho an’ny olona rehetra eran’ny Nosy.Nefa asany  sy adidiny ny mamorona asa !

– Momba ny fahasalamana, betsaka ny olona tsy afaka mitsabo tena amin’ny Hopitaly lehibe , satria mahantra. Izahay ato amin’ny AKAMASOA dia manampy amin’ny fanaovana” Scanner sy chimio” ny marary avy amin’ny Région maro.

– Isaorana ireo mpanabe sy mpampianatra miezaka manabe ny ankizy sy tanora na dia sarotra aza io asa fanambeazana  sy fotoana iainana izao .

– Ao koa ireo tsy manan-kialofana matory amin’ny sisin-dalana ary  ny ankizy sy ny vehivavy  mangataka anelanelan’ny fiara, maro ny olona manontany tena,  aiza ny fiarovana ny ankizy sy zo ny vehivavy ? Aiza ny ”Protection de l’enfance?

– Tsy maintsy ampiakarina ny Hasina maha olona sy ny ezaka amin’ny lafiny fiainana rehetra mba hisy tanjona  ho tratrarina ny olona tsirairay, ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina.

Ry krisitanina  Havana  betsaka ny ezaka tiantsika hatao  saingy mangina sy miadana loatra isika rehetra ary toraka izany koa ny mpiasa Fanjakana amin’ny Ministera sasany, miteny  matetika hoe “ miverena rahampitso” .  Nefa ny olona sahirana amin’ny fitadiavana !

Anivon’ny fiaraha-monina dia tsapanay izany olana misy rehetra izany ary mandray  sy mihaino ny fahorian ’ny olona  isan andro izahay ary hita fa  miha-maro sy mitombo hatrany izy ireo.

Misaotra anareo,rahalahy sy anabavy ao amin’ny  Tompo  , amin’ny  finoana anananareo , ny courage ,ny vina sy ezaka  hampisondrotra ny farimpiainana  sy ny Hasina maha olona ny Vahoaka  Kristianina  eran’ ny  Nosy  amin’ny alalan ny Fiangonanareo  FLM .

Ry Kristianina Havana ho ela velona ary ho tahin  Zanahary  isika rehetra  amin’ny izao tolona  masina  ataontsika izao .

NY firalahiana  sy firaisankina avy amin’ny Vaovao  Mahafaly dia tokony tombo-kase  ny kristianina rehetra eran tany !

2 COR 5,17-20  :” noho izany , na iza na iza ao amin’ny Kristy ,dia zavaboary vaovao izy ;ka lasa ny zavatra taloha, fa zavatra vaovao indray no eo

Izany hoe  ao amin’ny  Kristy ny olona iray, dia  olona  sy zavaboary vaovao izy !

Tokony manontany tena  aho sy isika , fa olona vaovao  ao amin’i Kristy ve aho sy isika isan andro  , na isaky avy  nivakaka   amin’ny andro alahady ?

Raha isika  mpiantra i Kristy  tsy miezaka ho olona vaovao  dia  ahoana isika  ho sahy mitory  ny  Vaovao Mahafaly  amin’ny hafa  sy  mananatra  azy hampiova ny  fiaraha monina  amin’ny Tanana misy antsika ?

Jesoa sy ny  didy vaovao  Joany 13,34-35 :” Didy vaovao  no omeko anareo,dia izao: mifanakatiava,ary aoka ho toy  ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo; Izany  no hahafantaran’ ny olona rehatra fa mpianatro ianareo,raha mifankatia”….

Jesoa nilaza hoe”  Ny marina ihany no mahatonga anareo olona afaka “

Joany 8,31 :” Hoy I Jesoa  tamin’ny ireo Jiosy nino azy:raha mitoetra ao anatin’ny teniko ianareo dia ho mpianatro marina,sady ho fantatrareo ny marina ary ny marina no haha-olona afaka anareo”

Matheiu 6,7-15.”ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba maro teny  tahaka ny mpanompo sampy, fa ataony ho ny hamaroan’ ny teniny no hihainoana azy “ !

Aoka   isika tokony ho vonona mandrakariva manambara ny maha maropototra ny finoana sy ny fanantananantsika! 1Pierre 3,15 “ I Kristy Tompo no ankamasino ao amponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin’ny kamorampo sy fanajana an’ izay rehetra manontany anareo amin’ny fanantenana izay ao aminareo” !

Mt 25, 40 ,   “ lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao  izany tamin’ny  anankiray amin’ireto zandriko kely  indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko” .

NY fanatanterahana  ny  Lalana  dia ny Fitiavana :  Romanina 13,8-10  “aoka tsy hisy hanan’ olona  trosa aminareo, afa tsy momba ny fifankatiavana: fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalana , ny fitiavana no  fahatanterahana ny lalana antsakany sy andavany “

Lioka 14,27  “ ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany sy tsy  manaraka  ahy

tsy afaka ho mpianatro izy” !

Ny  mpitoriteny sasany  mieritreritra   fa ho an ny mpihaino  izany  teny izany fa tsy ho  azy mpitoriteny .

Ny finoana mitondra fivoarana sy fandrosoana. Sarotra ekena  fa kristianina nefa tsy manana izay rehetra ilaina andavanandro. Ny kristianina tsy maintsy miasa ary mitsinjo ny ho avy ho an’ny zanany sy fianakaviany.

Mba ho tanteraka izany dia tsy maintsy manao ny ainy tsy ho zavatra. Fa  firy ny kristianina  ankehitriny  manana  izany  toe-panahy  izany  manao “ny fiainany tsy ho zavatra”  amin’ny fahafoizantena  manompo  ny fianakaviana sy fiaraha monina ary Tanindrazana ?

Izay miarina  sy mitraka no afa mamindra ary izay miavo tena no afa mivoatra.

Mbola tsy afa po ny Vahoaka.  Inona no dikany mamy ny aina  nefa fahoriana no hita isan andro ? Kristianina dia tia fianakaviana , tia firaisankina , tia fandrosoana fa ampiarina sy tanteraka ve izany ?

Ny kristianina manaja ny hitsiny sy ny rariny, satria i Kristy no aina. Isika rehetra Fianakaviambe iray ao amin’ny Kristy. Tsy misy zanaka ny olon kafa raha miara mivavaka isika  ao anatin’ ny Fiangonan’ i Kristy .

Ry kristianina havana ,aza adino  sy tsarovy  fa betsaka ny vato  misakana  ao amin’ny fiainana andavanandro . Ka tsy maintsy  mailo  sy vonona isika miady sy mandresy ireo vato misakana ireo . Ady ny fiainana hoy ntaolo !

Tokony manana fahasahiana  sy zo milaza ny marina isika rehetra . Maro loatra ny tanora tsy tody fianarana fa mihintsana an-dalana . Ireo tanora ireo matetika mananbady aloha loatra ,niteraka nefa tsy matotra ary  io tokantrano io  tsy ho ela dia hisaraka any aoriana any, dia mitombo ny fahoriana sy fahantrana.

Zavatsoa nentim-paharazana ny valimbabena.Moa mbola misy ve izany ankehitriny? Anjara ny tsirairay manontany tena misy ve aoaminy fianakaviany?

Ny fahakamoana: tsy maintsy  ho resena ny toetran’ ny tanora sasany ,miandry hotolorana fotsiny . Heveriny ny hafa manao ny zavatra  rehetra,ary izy miandry  vonona fotsiny,miandry hofahanana toy ny olona tsy ampy fahatsiarovan-tena.Tsy hivoatra isika raha mitady fahafinaretana ihany ary miankindoha  sy hanararaotra ny herin-tsandrin’  ny hafa .

Tsy lahatra ny fahantrana , fa safidy ny olona tsirairay izany  . Ny fahantrana azo resena , satria nomen’Andriamanitra antsika saina sy fanahy ary herimpo mba hahaleotena ara  mpivelomana fa indrindra ara- tsakafo .

Vato misakana  anatrehan  ny finoana dia  ny fitiavan-tena !

Afa –patorana sy fanandevozona vao afa mivoatra . Firy ny fatotra  mamatotra antsika tsirairay avy  ? I  Kristy no mpanafaka sy mpamonjy ny olona . Andriamanitra nanafaka ny Vahoaka tamin’ny Egipta   ! NY tantara ny kristianina eran tany dia ady amin’ny fanandevozona, satria  amin’ny firenena sy foko rehetra  dia misy fatotra mamatotra  ny olona  ! Ka  ny Filazantsaran’ i Jesoa , manafaka  ny olona rehetra!

I Jesoa no mpanafaka ary ny finoany sy ny fitiavany no nentiny nanafaka antsika.   Ny Kristianina rehetra dia voantso ho mpanafaka !

Antso avo ataontsika mba hiara  mientana sy mitolona mandresy ny fahantrana. Ny asa ny Akamasoa  dia asa vonjy maika , fa adidy ny Fanjakana ny  asa ara- socialy  izay mikasika  ny ain ny vahoaka  rehetra tsy ankanavaka .

Isika  nandray batemy dia anisan ny Vahoakan Andriamanitra  ka izay mahatonga antsika  tsy  mizara-bazana  satria vahoaka iray tsy mivaky isika, miady amin’ny asa ny maizina  sy kolikoly ary miroso amin’ny fahamarinana.

Ny Kristianina  izay nandray batemy  dia tokony hijoro  ho mpaminany sy misionera .Satria manana  adidy  sy anjara anatin ny asam pamonjena  ataon, ny Fiangonana eran izao tontolo izao fa indrindra ao amin’ny fiarahamonina misy antsika.

Ny kristianina tsy afaka manao sary jamba, na mody marenina sy mitapi-maso anatrehan ny zava misy ankehitriny izay mampiteny  ny moana ,ka tsy maintsy mandray anjara amin’ny asa socialy .

Na amin’ny raharaha  politika izany , ny kristianina tsy maintsy miaro ny  marina sy ny soa iombonana hatramin’ny farany .

Ny Fiangonana sy ny kristianina manao asa fanasoavam-bahoaka, mampivoatra ny besinimaro  ary tsy manadino indrindra ny madinika izay tsy lelafin’ ny namana nefa tian’  Andriamanitra manokana.

Ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fivoarana maha olona  sy ny maha zanaka Andriamanitra dia tsy azo sarahina . Olombelona dia vatana sy fanahy,ka tsy maintsy kolokoloina  izany .

Na dia maro ny vato misakana sy ny  problema isan karazany  dia isika noho  ny  batemy ary  ny finoana ananantsika an’i Jesoa  dia mitondra fanantenana  ao amin’ny  fianakaviana , sy  fiarahamonina ary ny  Firenena manontolo .

Fa ny FANANTENANA dia miankina sy mijoro amin’ny fiainana andavanandro fa tsy ambony ny rahona. Ny fanantenana tsy maintsy mifandray amin’ ny fiainana sarotra iaian’ny olona  isan andro ,  fa tsy manao teny tsara lahatra fotsiny  mamipseho ny fahaizana mandahan-teny  izay tsy mitondra  fanantenana   fa poakaty izany teny avo lenta izany . NY finoana sy ny fivavahana tsy fahazarana.

Ny Marina sy ny Fitiavana arahin asa dia mitondra ny fanantenana tena izy.

Izaho, dia tsapako fa tsy afaka mitory vaovao’ mahafaly amin’ ireo   rahalahy sy anabavy sahirana  raha tsy mampisondrotra ny maha olona azy ary izany asa fitiavana namana izany dia efa asa ny fitorian’ny Vaovao Mahafaly. Satria tsy maintsy ho vonjena ny olona manontolo, vatana, saina sy fahany.

Ary   nanaitra ahy hatraminny volohany dia ny ohabolan malagasy “Fanahy no maha-olona .  “Fa raha noana ny vatana dia mivezivezy ny fanahy “.

Izay rehetra manao ny asa soa ho an’ ireo mijaly dia asa ny misiona  satria mampisondratra  ny fianakaviana   ara-batana  , ara saina sy ara panahy .

Izany no Fanamby lehibe ho antsika Fiangonana sy ny kristianina ankehitriny.

Fa izahay ,tsy manana “formule magique”  izay arahina , fa ny fanamby rehetra  dia  ambany  fiarovana sy toe-panahin’ ny Fanahy Masina izay mamorina ainga-panahy  vaovaoa( inspiration) sy  mankahery antsika hanokatra ny lalana vaovao isan andro .Tsy misy  asa mora sy vita ho azy araky teny ny ireo tsy manam-piheverana ary  tsy manana  fangorahana  sy fitiavana.

Ary ny mahagaga, dia amin’ny Eokaristia ny Akamasoa isaky alahady misy  “touristes” maro avy  amin’ny lafin valo ny tany . Ka raha nody ireo touristes tsy mpivavaka ireo dia feno hafaliana sy fanantenana! Asa ny misiona izany !

Ry rahalahiko sy anabaviko i Jesoa no Lalana sy Fiainana ary Fahamarinana ho antsika izay manaraka azy ary enga anie ho “aina no fetra”  .

Samia ho tahin’Andriamanitra isika rehetra!

 

Père Pedro