JOURNÉES DES ÉCOLES 23-24-25 FÉVRIER 2022

Ry  mpianatra Akamasoa  !  

Samy faly isika  satria mankalaza  ny Journées des Écoles.

Kanefa   na dia faly   sy  ravo, dia tsy maintsy  mahalala  fa « Ady  ny fiainana » , hoy ny ohabolana malagasy !    Tsy fety ny fiainana, nefa indraindray   fety  ihany. Fa  andavanandro dia  ady , satria  tsy maintsy miezaka Isika isan’andro vao mihinana sy velona, isika mifaninana  amin’ny  alalan’ny FANATAJAHANTENA , dia manambara  fa nanao Ezaka  ny “athleta”.

Avy  eo  ianareo dia  mihazakazaka , dia   ny  mpihazakazaka rehetra dia tsy maintsy nanao ezaka mba ho vohalohany .   Izay miezaka ihany  , ary  nihomana  bebekokoa dia mety handresy  . Izay  tsy nihomana  sy tsy niezaka manao “entrainement “   fanazara-tena , tsy hahahomby .

Ny fiainanatsika andavanandro dia  torak’izany koa , tsy maintsy miezaka isika mandresy  ny   ratsy , mandresy  ny fahakiviana , mandresy ny rendrarendra , mandresy ny fahakamoana , mandresy  ny  tsy firarahiana ,  mandresy ny fitiavan-tena  diso be loatra , mandresy ny fialonana , izany rehetra izany dia  tsy mampahomby ny fiainantsika   ary  manimba  ny fiaraha-monina sy toe-tsaina  , ka manjary samy tia tena  ary samy mandeha  sy  maka ho azy .

Izany toe-tsaina izany dia fahavalon’ny olombelona izay  miezaka  ho  marina sy mendrika ary manaiky fa “Fanahy no maha olona”.

Antso avo ataoko aminareo tanora  Akamasoa , dia  raiso  ny  anjaranao amin’ny tolona masina ataontsika eto  Akamasoa , mba hamerina ny zo sy ny hasina maha olona   ary  manana ny ho avy   tsara kokoa   ireo mandimby antsika . Misy  olona  mandrakariva mandimby antsika ary isika tsy maintsy miheritreritra  sy  manomana ny hoavin’ ireo  ankizy  izay misolo antsika indray andro any .

Antso avo , mba hitolona ,  Antso avo mba   miezaka , Antso avo mba hiaro ny soa iombonana  , Antso avo miaro ny  tontolo iainana sy zava-boahary rehetra , Antso avo mba   tsy hihemotra  ary tsy hivily lalana ianao ry tanora  lahy sy vavy eto  amin’ny Akamasoa .

Ry tanora : mahafoiza-tena  tanteraka   hampandroso ny  Tanindrazanao , fiarahamonina misy anao  sy ny fianakavianao.

Ary ho loloavinao   ny Finoana an’Andriamaitra Fitiavana  mampiray ny olombelona rehetra  amin’ny alalan’ny  Rariny sy ny Hitsiny ary indrindra amin’ny FAHAMARINANA.

Ry tanora  mpianatra Akamasoa, izany no vato fehijoro hijoroantsika ato amin’ny sekoly Akamasoa .

Raiso ny andraikitrao ary tanteraho izany ankalalahana , an-kafaliana sy ankasahiana . Izay tsy manana fahasahiana  dia  tanora mandeha ho azy , tsy misy tanjona  ary farany very anatin’ny zava-mahadomelina.

Ataovy tsara sy ankafaliana  ity  fifaninana FANATAJANTENA  androany ity .

Ry tanora  lahy sy vavy  ankafizo  sy tiavo ny Sport  rehetra  , satria tsara ary talentanao izany , ka tsara raha  zaraina amin’ny besinimaro.

Ny Tanora Akamasoa  miavaka amin’ny fitondratena mendrika, fianarana ary koa amin’ny fitiavana ny Sport.

Ho ela velona ny mpianatra  sy  ny athleta Akamasoa, ny mpanabe ary ny Ray aman-dreninareo .

 

Samia ho tahin’Andriamanitra isika rehetra !

Père Pedro