JOURNÉES DES ÉCOLES AKAMASOA 2024

Jeudi 29 février 2024

RY TANORA TIA FANATANJAHANTENA

Isan-taona,ankalazaina « Journée des écoles » dia mandray anjara ny Mpianatra rehetra amin’ny lafin’ny coltoraly,amin’ny lafin’ny fambolena zanakazo, amin’ny lafin’ny fahadiovan’ny sekoly sy tanàna, ary koa amin’ny lafin’ny fanatanjahantena, dia androany izany.
Amporisihiko ianareo mpianatra vehivavy sy lehilahy mba samy miezaka manao « sport » anankiray » izay ankafizinao sy mahasoa ny vatanao sy ny sainao !
Fantatrareo ny ohabolana malagasy manao hoe “: anatin’ny vatana salama no misy ny saina matsilo »

Deraiko ny tanora lahy sy vavy rehetra,manao sport sy “entrainement”, isan-kerin’andro tsy ankijanona, ka izany faharetana izany, mahatonga ny tanora lahy sy vavy,mahay ny taranja anankiray, izay mahasambatra azy ary mahafaly ny sekoly manontolo izay hianarany , satria solontenan’ny sekoly hiaviany izy!

Raha mahazo fahombiazana dia faly ny mpianatra rehetra amin’io sekoly io satria misy mpianatra mahay!
Isika eto, sekoly ambaran-tonga samihafa, kanefa iray Fikambanana sy hetsika isika!
Ka noho izany, dia izao fifaninanana izao dia ataontsika amin’ny fo feno firahalahiana,fifanajana sy fifankatiavana!

Izay mandresy tsy hobiana, izay resy tsy ambakaina! Nefa azo atao ny mihoby ny mpandresy ary ny mandresy tsy miavonavona na manambany ny sasany, fa manetri-tena, ary mijoro ho naman’ny mpianatra rehetra.

Ireo mpandray anjara amin’ny fanatanjahan-tena, raha te ho lavorary ary ho ohatra hoan’ny sasany amin’ny fahaizana sy talenta ananany dia tsy maintsy mandray ao ampony ny ohabolana Malagasy manao hoe: “ny Fanahy no maha-olona”!
Ry mpianatra tia sport eto amin’ny Akamasoa, aoka ianareo mivoatra isan-taona, amin’ny talentanao ary mba manana hafaliana sy hasambarana ary fahasalamana, hanaovana izany sport izany!

Hoela velona ianareo mpianatra sy athlete rehetra manana finiavana sy hazon-damosina ary tsy manaiky ho hambakain’ny hafa satria manana finoana sy hevitra entitra hijoroana!
Ho ela velona ny fifanajana sy ny fifankatiavan’ ny mpianatra Akamasoa rehetra!
Aoka manomboka ny lalao sy ny fifaninanana madio!

Misaotra Tompoko