Photos des jeunes élèves d’Akamasoa
Voici les photos des jeunes d’Akamasoa de l’année scolaires 2016-2017 qui ont reçu les messages du Père Pedro le 24, 25,26 avril sur le « ANTSO AVON’NY PAKA 2017 »
Voici les photos des jeunes d’Akamasoa de l’année scolaires 2016-2017 qui ont reçu les messages du Père Pedro le 24, 25,26 avril sur le « ANTSO AVON’NY PAKA 2017 »
Ry tanora mpianatra Akamasoa, nataoko antso avo tamin’ny andron’ny PAKA lasa teo ho anareo tanora rehetra, mba handray andraikitra, miova famindra, miova ho olona vaovao, mahafoy tena ho tia namana, miaro ny soa iombonana, mijoro amin’ny fiainana mendrika sy marina, tsy matahotra tsikerain’ny hafa ary manohitra ny riaky ny rendrarendra sy ny fiantsaram-belatsihy.
Ny 23 Avril 2017, indray tamin’ny Alahady ny Famindram-pon’Andriamanitra, ny Eveka Monseigneur Benjamin Ramaroson avy any Antsiranana namangy antsika dia mbola nampahatsiaro antsika ny tenin’i Md Piera fa “Olona vaovao isika vita Batemy, ary mpanara-dia an’i Kristy”. Izy koa nanontany amintsika hoe: “ Ny finoanao an’i kristy izay mahatonga antsika hoe Kristianina, nanova ny fiainanao sa nitondra anarana fotsiny hoe Kristianina nefa tsy manao ny marina, tsy mahafoy tena ho an’ny namana. Aiza ho aiza ianao ry mpianatra Akamasoa anatrehan’izany ?
Ny Eveka koa niteny hoe : « Mandalo fotoana sarotra ny firenena ankehitriny, mitombo ny fitiavan-tena, mitombo ny risoriso, mitombo ny fiavonavonana, mitombo ny fialonana ary izany no mahatonga ny Firenentsika latsaka an-kady sy anaty herisetra izay tsy nisy teo aloha, ary izaho miteny aminareo izao izay tonga teto Madagasikara talohan’ny nahaterahanao, vavolombelona nahita izany. Ankehitriny nisaraka an’Andriamanitra ny olona maro, nanao tsinontsinona ny fampianaran’i Tompo, manaiky ambava fotsiny ny finoana, ka mamitaka ny besinimaro.
Ianao ry mpianatra Akamasoa, manatrika izao telovolana farany izao: tiako ny mamangy sy mankahery anao, mba ho tonga saina marina, mahatsiaro tena marina ny adidy tsy maintsy tanterahanao amin’ny maha mpianatra anao, amin’ny maha olombelona anao na dia mbola kely aza ianao.
Tiako manosika anao mba hiroso amin’ny fiainana marina kokoa, amin’ny fiainana feno fahamarinana sy firahalahiana amin’ny fifampizarana ny manta sy ny masaka. Tiako manohana anareo mba tsy hiverin-dalana amin’ny fiainana ratsy teo aloha izay nanjakan’ny rendrarendra, ny zavatra mahadomelina isankazarany, ny fitondran-tena tsy mendrika: lainga sy fitaka.
Amin’ny maha irak’Andriamanitra sy Mpanorina ity Fikambanana Akamasoa ity ny tenako, tsy hangina na oviana na oviana aho, hankahery anareo sy hamporisika anareo mba mifidy ny fiainana marina, ny lalana mankany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ary hikely aina aho handray antanana anareo, hitondra anareo amin’ny fiainana misy ny fifankatiavana marina, misy fahafoizantena, misy herim-po manohitra ny ratsy sy ny fankampanahy rehetra izay misy be dia be amin’izao fiainana diavinareo izao .
Azo lazaina fa marary ny fiaraha-monintsika amin’izao, ary izany aretina izany mora mifindra, dia inona no ataonao ry mpianatra Akamasoa mba hanohitra azy, mba tsy ho tratran’izany ianao?
Mbola tiako androany manerina indray ny antso avo mba hiarina ianao ry tanora lahy sy vavy, mitrakà ianao hiatrika ny sarotra rehetra ao antokantrano, ao amin’ny fiaraha-monina, ao ampianarana. Tsy misy ry tanora mpianatra fiainana mora eto ambonin’ny tany, tsy misy fiainana mandeha ho azy, fa misy fiainana feno tolona masina raha manana finoana ianao, raha mino an’i Jesoa maty nitsangan-ko velona ianao, ary ao amponao Izy miteny aminao, ary eto anivontsika izao Izy raha isika manana maso feno fitiavan’Andriamanitra sy ny namana.
Ny Finoana Fanomezan’Andriamanitra, ka ny fiainana tsy maintsy mandalo amin’ny fisedrana mafy dia mafy, indrindra amin’izao andro diavintsika izao, na mijery fahitalavitra ianao, dia efa feno fihetsika mamoafady sady mitarika anao amin’ny fiainana malemilemy tsy zarizary ary fiainana anatin’ny maizina.
Ireo mpanentana ao amin’ny fahitalavitra ireo, mitady fivelomana fotsiny ho an’ny tenany, tsy mampaninona azy ny sary alefany ao na mety manimba ankizy aza, na mampivily amin’ny ratsy. Misy koa anatin’ny fianakaviana, ao antanàna te hanakivy anao tsy hianatra, fa varivariana amin’ny zavatra tsy mampisy ny hoavinao, ohatra ireo tanora izay latsaka amin’ny fankampanahy manambady tsy ara-potoana, mbola kely, ka tapitra amin’izay ny hoaviny ary io tanora io efa naman’ny beantitra.
Hatraiza hatraiza misy vato misakana, ka esory amin’ny Herin’i Kristy sy ny Fanahy Masina izany vato misakana izany. Samy manana na olon-dehibe, na tanora, na iza na iza, samy manana vato misakana raha mbola olombelona. Ka manàna hevitra hentitra, mafy orina manana hazon-damosina fa tsy manaiky ho rebirebena.
Manana fahaizana ianao, manana talenta ianao, nahazo fahasoavana lehibe ianao, na ara-batana amin’ny “sport” izany, na ara-tsaina amin’ny fianarana izany, na ara-panahy, amin’ny fitiavam-bavaka izany sy amin’ny fitondran-tena maontina.
Eny ry mpianatra Akamasoa, antso avo ho anareo no ataoko anio, aza misalasala, aza menatra, aza matahotra miseho ho tanora manana finoana, manana fitiavam-bavaka, fitondran-tena maontina, aza menatra ianao, averiko indray : Raiso ny Hery omen’I Jesoa anao mba hiady isan’andro isan’andro amin’ny ratsy, reseo ny fahakamoana rehetra izay renin’ny zavatra ratsy maro. Mijoroa ho mpianatr’I Jesoa, mpanara-dia an’I Jesoa. Efa olona vaovao ianao izao, toe-tsaina vaovao, fo vaovao, fihetsika vaovao.
Ry mpianatra Akamasoa, tsy teny fotsiny izao ataoko izao, fa raiso ampitiavana, satria atolotro ampitiavana lehibe. Ny tanjoko dia mba tsy hisy ho very na iray aza aminareo mpianatra lahy na vavy.
Mijoroa amin’ny fahasahiana : ao amin’ny fianakaviana sy fiaraha-monina misy anao, ho olo-marina ianao, olona mahitsy fo ianao ka tsy hivadika intsony amin’ny fanekena nataontsika an’Andriamanitra tamin’ny Batemy, tamin’ny Komonio Voalohany sy confirmation.
Ry tanora mpianatra, angatahiko anareo, mianara amin’ny fo manontolo. Manampahaizana ianao, manana talenta ianao ka aza ariana, na alevina na ampatoriana izany. Aoka mavitrika ianao mandeha mianatra isan’andro satria asanao izany ary raha tonga mianatra, hajao ny namanao, hajao ny Mpampianatra sy Mpanabe anao satria te hanampy anao ireo zoky ireo matoa nifidy ho Mpampianatra sy Mpanabe izy ireo.
Ry tanora, tohero mafy ny toetra feno fiavonavonana sy fiatsaram-belatsihy. Aoka raha “Eny” dia “eny”, hoy I Jesoa. Tanteraho ny fanirianao ho marina, tanteraho ny fikasanao mba hanana asa sy manana ny maha izy anao indray andro any. Ka androany ianao manomana io fa tsy rahampitso. Aoka manana tanjona mazava tsara amin’ny fiainanao ianao, dia tanjona hahaleo tena indray andro, ho olona feno ianao, ho olom-pirenena mahalala adidy sy andraikitra ianao ka arovy toy ny “anakandriamaso” izany tanjona izany.
Aoka ho feno fahasahiana ianao na dia sarotra aza ny miseho ho olona manana herim-po, fa vitanao izany satria I Jesoa miara-dia aminao. Ny Fanahy Masina manazava anao ary raha indray andro ianao mandalo fotoana sarotra : antsoy I Jesoa, antsoy ny Fanahy Masina manampy anao. Ary mivavaha amin’ny fo sy fanahinao manontolo. Ary antsoy ihany koa I Masina Maria Renintsika, hanampy anao tanora.
Ry tanora mpianatra Akamasoa, tsy ho kanosa na oviana na ovina isika ato amin’ny Collège misy antsika, Ecole Primaire na Lycée na Ecole Supérieure, satria raha mitambatra ny fontsika ho fo iray dia matanjaka, tsy misy maharesy antsika satria izay “mitambatra vato izay misaraka fasika”.
Ry Mpianatra Akamasoa, aoka ho fantatra fa mitondra fahazavana ho an’ny tanora namana any Antananarivo manontolo isika, matoa napetrak’ Andriamanitra ambony vohitra toy izao isika, misy antony izany, misy dikany izany.
Amin’ny fanomanana ny Fetin’ny Fanahy Masina amin’ny Pantekoty ho avy izao, mpiaro ny Fiangonantsika, aoka mikaroka isika tsirairay avy, manamboatra saina sy fanahy, hanatrika izany adidy sy tolona masina izany, satria mitondra fahafahana ianao, izaho, isika. Mitondra fahamarinana sy fivoarana tena izy. Ka hanomboka handray anjara ato amin’ny sekoly, tanàna misy antsika tsirairay avy. Tsy ho ataontsika ho tahàka ireo mpitondra sandoka sasany izay “mpitari-bato vilam-bava fotsiny”. Fa raha miasa isika dia miasa ary mitondra fanantenana tena izy ho an’ny fiaraha-monina misy antsika aloha, dia ho an’ny besinimaro avy eo.
Raha miova marina isika amin’ny herin’ny Finoana sy ny Fitiavana ny Tanindrazana, dia tsy manary fako manerana ny arabe ary manadio tanàna tsy ankijanona, manaja sy tia ary miaro ny zava-boaary sy ny tontolo iainana.
Ity antso avo ity dia ataoko ho anao mpianatra 6ème farany madinika indrindra ka hatramin’ny 3ème zoky ary torak’izany ny Lycée sy ny Ecole Supérieure.
Antso avy amin’I Kristy, avy amin’ny Vaovao Mahafaly, avy amin’ny Tenin’Andriamanitra izany. Fanamby lehibe izany ho antsika rehetra : Mpampianatra sy Mpitarika ny Akamasoa rehetra. Fa ianareo ry mpianatra no maro an’isa indrindra ary ianareo no manana hery sy tanjaka kokoa nohon’ny
Ray aman-dReny, noho izany, ianao no tokony mirotsaka ankasahiana kokoa sy ampaharetana amin’ny fanatanterahana ny tanjona sy ny fiovana ary ny fandrosoana izay andrasana hitarika antsika amin’ny fiainana feno fanajana, hafaliana sy hasambarana.
Izay rehetra vonona manantanteraka izany, aoka miteny amin’I Jesoa izay ao ampony ny fahavononany.
Ary fantaro fa “indray mandeha monja no mandalo eto ambonin’ity tany ity isika ka izay fotoana nalahatr’Andriamanitra ho anao sy ho ahy, dia fenoy asa soa, asa fitiava-namana, asa fandrosoana fa aza asiana asa ratsy na oviana na oviana. Ka izao andro diavintsika izao no fanatanterahana ny Sitrapon’ Andriamanitra ho antsika tsirairay avy.
Devoir no omeko anareo izao :
1-Tadiavo ireo aretina sy ireo vato misakana izay hitanao ao an-tokatranonao sy ny fiaraha-monina misy anao . Mifanakaloza hevitra miaraka amin’ny Mpampianatra ianareo momba izany satria izao antso avo izao tsy maintsy miteraka asa mivaingana sy fiovana mitondra fanantenana avy eo.
2- Tadiavo ny soatoavina Malagasy izay heverinao fa tsy tokony hadino na ho very mba ahafahantsika miray monina, mifanampy sy manomana ny ho avy.
3- Fantatrao inona ny toerana misy anao amin’izao ry tanora mpianatra Akamasoa amin’izao tolona sy ezaka manohitra ny fahantrana ataon’ny Akamasoa izao, sa tsy manana toerana mihintsy ianao ka mandeha ho azy fotsiny. Ohatra raha ekipa mpanao baolina isika izao, samy manana ny anjara toerany ao amin’ny terrain, ka inona no anjara toeranao ato anatin’ny Akamasoa?
Ry tanora mpianatra Akamasoa, mijoroa ary mandraisa anjara amin’izao tolona ataon’ny Akamasoa izao mba hahasoa anareo tanora indrindra indrindra ! Ianareo no lohalaharana amin’ny asa rehetra ataon’ny Akamasoa satria ianareo no ho avin’ny Akamasoa sy ny Firenena androany fa tsy rahampintso.
Misaotra anareo raha nihaino sy nandray izao antso avo nataoko izao !
Samia ho tahian’Andriamanitra isika!
Père Pedro
L’Archevêque de Diégo SuArez, Monseigneur Benjamin Ramaroson a présidé la messe avec le peuple d’Akamasoa.
Ce dimanche de La Miséricorde restera dans la mémoire de tous les neuf milles fidèles qui se sont réunis à prier à Akamasoa.
Tout d’abord, dans l’assemblé régnait une ambiance de fête, de fraternité et d’une grande ferveur. Lors de l’homélie, on sentait une grande attention de la part des fidèles puisque Monseigneur Benjamin a partagé un message évangélique d’une grande force et d’une grande clarté par ses paroles. Il a lancé un appel à tous les Chrétiens présents de vivre comme des hommes nouveaux. Le Baptême de Christ il a souligné, nous a fait passé du vieux homme à l’homme nouveau dont la deuxième lecture de Saint Pierre aujourd’hui accentuait fortement que toutes personnes baptisées au nom du Christ, sont un être nouveau.
Monseigneur Benjamin a également souligné que aujourd’hui, nous sommes confrontés à des temps difficiles à Madagascar. Un peu partout règne l’égoïsme, la jalousie, la corruption, l’insécurité et la violence. Il a cité trois exemples, les attaques des malfaiteurs à une Communauté des Sœurs Religieuses à Antsirabe où il y avait violence et viol. Une autre Communauté attaquée où des Religieuses étaient blessées et une autre Communauté des Capucins d’Antsohihy qui étaient attaqués où les dahalo ont tué un prêtre et blessés un novice. Il a dit que cela manifestait une violence inouï, une violence inexplicable qui s’empare de notre pays.
Il a invité à tous les chrétiens présents de vivre la foi tous les jours, de vaincre toutes les tentations et d’être témoin du Christ là où ils vivent.
Monseigneur a aussi ajouté que s’ il y a des gens qui cherchent de voir un miracle, ils peuvent venir un dimanche prier à Akamasoa, où ils verront un peuple débout, des jeunes et des enfants qui prient et dansent pour remercier Dieu de les avoir sauvés de la rue et de la décharge. Il nous a encouragé à vivre notre foi au Christ Ressuscité avec courage et persévérance.
Son homélie était très applaudie par tout le peuple d’Akamasoa.
Ils ont concélébré avec nous aussi le Père Calvin, prêtre Lazariste malagasy qui travaille depuis 5 ans comme Missionnaire à l’Ile de la Réunion. Et le Père Izidor, prêtre diocésaine de Slovénie qui est venu visiter Madagascar où il était Missionnaire pendant 10 ans.
L’Eucharistie de ce dimanche de La Miséricorde divine était une vraie fête où tous le fidèles ont démontré leur joie et leur bonheur de se sentir pardonner, aimer et sauver par Dieu Amour dans le Christ Ressuscité.
Merci Monseigneur Benjamin d’avoir célébré l’Eucharistie à Akamasoa et de votre homélie qui nous a profondément touché par la force de votre message évangélique.
Vous avez célébré votre 62 ème anniversaire, nous vous souhaitons beaucoup de grâce et joie divine dans votre cœur et beaucoup de courage et de bonheur avec tout le Peuple de Dieu qui vous est confié par l’Esprit Saint et l’Église Universelle dans votre Diocèse d’Antsiranana.
Voici des photos qui illustrent la joie et la beauté de ce dimanche de La Miséricorde !
Nous venons de vivre et de célébrer une Fête de Pâques spéciale. Tellement joyeuse qu’on pouvait toucher le Christ vivant au milieu de nous tous .
Cette Pâques 2017 sera inoubliable puisque nous avons eu pour la première fois des frères et sœurs de 5 Continents de notre Terre qui étaient présents dans notre Eucharistie ce Jour de Pâques. Ils venaient de plus de 30 nationalités différentes.
Une fête de Pâques extraordinaire? qui nous a donné beaucoup de force et de joie pour continuer à nous battre contre l’ extrême pauvreté et pour la dignité de chaque enfant oublié et de chaque famille exclue.
Tous, nous sommes sauvés, tous, nous devrions avoir une vie plus digne et normale. Mais nous sommes encore loin de cet idéal .
Nous devons continuer à lutter pour ce monde de justice, de solidarité et de partage.
A Akamasoa ces paroles ne sont pas des mots, elles sont des actions et de la réalité visible, palpable et concrète .
Père Pedro
Voici quelques photos de notre fête de Pâques à Akamasoa 2017.
Le Chemin de Croix déjà légendaire à Akamasoa avec le Peuple de Dieu de toute la région. C’était encore une fois très émouvant, voir cette foule concentré, compacte et soudé autour de la Croix du Christ, signe de notre salut.
La passion de Jésus n’est qu’un passage, au bout de toute violence et souffrance, il y a la Lumière de la Résurrection du Christ .
La communion d’esprit de cette multitude des frères et sœurs durant 2 heures de ce Chemin de Croix et parcourant 3 kms, était d’une intensité indescriptible.
Se sentir Famille Humaine, Peuple de Dieu, tous égaux, tous frères et sœurs et tous unis dans notre condition humaine d’abord et ensuite partageant la même foi et espérance, cela fait chaud au cœur.
En tant que personne, nous avons besoin de cette chaleur humaine et spirituelle pour avancer ensemble et vaincre tous les égoïsmes et toutes les injustices qui se font dans tous les pays du monde aux innocents, aux plus petits, aux plus pauvres et à ceux qui ne peuvent pas se défendre, les enfants, les femmes, les vieillards et les handicapés.
Dans ce Chemin de Croix, nous avons eu une pensée particulière pour tous ceux qui souffrent et subissent les pires humiliations, persécutions et souffrances dans le monde entier à cause de sa race, de son origine et de sa foi.
Partout où des frères et sœurs s’unissent pour travailler ensemble faire avancer l’AMOUR, la liberté, la justice et l’espérance, Le Christ est au milieu de nous et on sent sa présence, sa force, son courage, sa joie et sa Résurrection.
Ce combat pour la dignité humaine et la justice est déjà l’expression et le gage de La Résurrection de chacun de nous, qui se vit déjà au présent.
Voila ce que nous avons ressenti dans ce Chemin de Croix, ce 14 avril, le Vendredi Saint.
Chers amis !
Le Père Pedro voyage en Europe, tous les ans, souvent pendant le mois de Juin, pour témoigner son combat quotidien à Akamasoa.
Nous vous joignons dans ces pièces jointes son programme, conférences et témoignages du 01 Juin au 08 juin 2017 et du 18 Juin au samedi 24 Juin 2017.
A partir du 09 juin au 17 juin 2017, il sera au Puy du Fou. Vous aurez ultérieurement le programme.
Nous vous invitons à venir nombreux, en faveur des milliers des enfants qu’ Akamasoa prenne en charge !
Akamasoa !
Nous avons fêté cette rentrée triomphale de Jésus à Jérusalem il y a 2000 ans dans une grande joie et ferveur populaire.
Les photos parlent par elles mêmes de l’ambiance de prière et de fraternité qu’y régnait parmi les 9.000 frères et sœurs Malagasy et d’autres pays qui s’y sont rassemblé ce dimanche, Jour du Seigneur.
Voici en photos :
A Akamasoa nous appuyons totalement la Déclaration de la Conférence Épiscopale de Madagascar condamnant fermement les violences qui se font au quotidien un peu partout mais surtout dernièrement contre une Communauté Religieuse Féminine.
Informés par des journaux de la Capitale sur l’attaque et les viols perpétré contre une communauté religieuse à Andranomanelatra, dans la Région de Vakinakaratra, nous estimons que cela est un crime contre l’ Humanité.
Cet acte horrible manifeste à quel point la bestialité d’ êtres humains a atteint un niveau jamais vu dans le pays du Fihavanana.
Devant ce fait atroce, qui n’est pas un fait divers ni un acte isolé, c’est tout Le Peuple de Dieu et toute personne qui a du bon sens, doit réagir et manifester sa condamnation la plus intransigeante contre ces malfaiteurs qui veulent détruire la vie des religieuses, des sœurs, qui ne font que du bien là où elles travaillent dans tout l’étendu du territoire de Madagascar.
Au nom de tout le Peuple d’ Akamasoa nous condamnons de la manière la plus virulente ce viol perpétré sur de personnes consacrées à Dieu et au services de plus pauvres.
Puissent les Autorités compétentes et tous ceux qui doivent veiller sur les personnes et leur biens faire leur travail et leur devoir dans la responsabilité et le sérieux qui implique leur serment de protéger la vie de ses concitoyens.
La vérité et seulement la vérité nous rendra libres, nous dis Jésus, pour avancer vers une société plus humaine et juste.
Nous devons nous munir du courage pour défendre les plus faibles de notre société qui sont les femmes et les enfants.
La mentalité d’impunité et un laisser aller qui dépasse tout entendement doit cesser sinon nous allons directement au mur.
De tels crimes et exactions ne peuvent être tolérés si on veut rester des humains qui veulent vivre ensemble dans le respect réciproque et défendre le bien et l’intérêt commun.
Tout un Peuple lève la voix pour que L’État de droit et la justice pour tous soient rétablie dans tout le pays.
Les citoyens qui veulent vivre dans la vérité, la justice et le Fihavanana, sont les plus nombreux et n’attendent que des actes concrets de la part de ceux qui sont les premiers responsables de L’État et du service de l’Ordre dans une Nation pour rétablir la sécurité et la paix dans tout le territoire.
Les Autorités doivent parler et agir plus vite et dire en tout temps haut et fort que la loi doit être respectée et appliquée en toutes circonstances où les droits de la personne humaine sont transgressés et bafoués.
Que Dieu d’Amour nous donne dans cette Fête de ’Pâques tout proche la force de continuer de lutter contre toute injustice, jamais baisser les bras, comme nous encouragent nos Evêques et dénoncer sans hésitations avec le courage de l’ évangile tout crime perpétré contre tout être humain.
Nous, disciples de Jésus, restons plus que jamais du coté de ceux qui souffrent pour défendre leurs droits et leur dignité.
Portons, toutes les victimes du mal, des viols et de toute injustice dans nos prières.
Frères et sœurs baptisés au nom du Christ ressuscité, et toute personne de bonne volonté croyante ou pas , à cause de notre Humanité commune, restons unis dans ce combat pour la Vérité et la Justice .
Au nom du Peuple d’ Akamasoa !
Père Pedro
Chers amis d’ Akamasoa !
C’est avec une grande tristesse que nous vous annonçons le décès de Mlle Julie le 29 mars. Elle a été atteinte d’une insuffisance rénale chronique. Elle a fait quelques dialyses mais son corps n’a pas supporté. Elle avait 40 ans.
Elle a été hospitalisée pendant un mois à Antananarivo et son enterrement a eu lieu le vendredi 31 mars. Elle était Responsable du village de Manantenasoa.
C’était une personne qui a dédié sa vie pour ses compatriotes et Dieu seul sait ce qu’elle a dû vivre parce que les pauvres ne sont pas toujours tendres ni faciles à vivre.
Pour elle était claire que chaque personne devait se mettre debout et vivre de son travail et devenir autosuffisante.
Elle était aimé par la population, puisque elle voyait tout l’effort qu’elle faisait d’écouter les demandes, les besoins et toutes les plaintes des villageois et de les transmettre au bureau d’Akamasoa.
Je peux dire que Mademoiselle Julie était une femme forte et courageuse avec une conviction et foi profonde. Elle va rejoindre dans le Ciel tout le peuple d’Akamasoa qui l’ont précédée, bien sûr nos Mlles Thérèse, Honorine qui étaient de grandes amies !
C’est une autre femme combattante qui nous quitte et qui nous supportera et priera pour nous dans le Ciel !
Père Pedro.
Chers amis !
Chers bienfaiteurs !
Aujourd’hui 15 mars, les inondations provoquées par le Cyclone Enawo ont baissées .
Les 167 familles sinistrées sont rentrés dans leurs maisons ou ce qui en reste .
Durant toute cette visite dans ce quartier d’Ampasika j’ai pensé tout le temps: Comment ne pas aider tout de suite à ces familles qui vivent dans de telles conditions d’extrême pauvreté ? Les photos que voici parlent plus que toutes les paroles !
Frères et sœurs donnons leurs un coup de main pour construire une nouvelle maison à toutes ces familles. Cela est possible par notre générosité ! Dieu vous bénisse ! Fraternellement ! Père Pedro
A tous les Visiteurs de notre site qui souhaiterais à aider ces familles qui ont perdu presque tout. Pourtant elles gardent courage et joie de vivre . Nous vous invitons cordialement d’envoyer votre participation aux :
lien : https://wwwperepedro.com/fr/d_dons_reguliers.php