SORTIE DE PROMOTION ALPHA

Mercredi 21 Février 2024

Sortie de Promotion ALPHA

 « Atao Laharam-Pahamehana ny Hasin’ny AINA »
Isan’ ny mpianatra 68; Infermière 18, Infermier 12, Sage Femme 32
Isan’ny Mpampianatra 47 Professeurs 4, Médecins 25 Infirmiers et Sage Femme : 18
Nianatra nanomboka ny Année Universitaire ny 16 Novembre 2020 ka hatramin’ Ny novembre  2023.
Avy amin’ny Région 12 eto Madagasikara. Région Analamanga:34
Vakinankaratra:06, Alaotra Mangoro:06, Atsimo Antsinanana :06, Amoron’i Mania :02, Menabe :01, Ihorombe :01, Analanjirofo :01, Antinanana :01, Boeny :01, Bongolava :01,ITasy :01

68 izy ireo teny am-piandohana .Nisy tamin’ny izy ireo no tsy nahatody hatramin’ny farany noho ny
Tsy fitiavana hiaina anatin’ ny discipline! Tsy fahazakana ny fanarahamaso sy ny fahamatorana eo amin’ny fanatanterahana ny fianarana nefa manantena zavatra moramora.
Ary indrindra tsy nahatratra ny moyenne takiana
Lafy tsara sy nanaitra dia :
Na teo ny zavatra sarotra nandritra ny fianarana dia maro ireo nahatody hatramin’ny farany.
Nahafaly ny « service » nataonareo tamin’ny “stage amin’ny toerana fitsaboana samy hafa.
Maro ny fahaizana niaina sy ny fifanajana nasehon ireo mpianatra nandritra ny stage !
Lasa miray hina , tia vavaka ary tia mivoatra ara-batana , ara-tsaina sy ara-panahy na dia samihafa ny fihaviana.

Raha nisy fitsidihana natao ny solon-tenam-panjakana avy eo anivon ny Fahasalamana dia nahafapo azy ireo ny fotodrafitr’ asa sy fitaovana entina mianatra sy ampiasaina amin’ ny Laboratoire eto amintsika.

Ry Tanora mpianatra nahazo diploma avy amin’ny Fanjakana ianareo androany amin’ny fomba Ofisialy, feno fanajana sy fitiavana , dia afaka miasa amin’ny izao ianareo ,ka ataovy izany asa izany , ampahalalana feno ,ankasahiana fa indrindra ampitiavana.
Manantena anareo , ireo olona marary eran’ ny Nosy mba hanampy azy ireo ianareo mba ho sitrana!

Reharehan’ ny Tanindrazana ianareo , raha mahavita tsara ny asanareo ao amin’ny Hopitaly na tobim-pasalamana na amin’ny toerana hafa rehetra izay iasanareo eran’ ny Madagasikara .
Hafaliana sy fasahiana ary indrindra ny Finoana tia an’Andriamanitra sy Tia namana dia ento mitsabo ny olona mpiray tanindrazana na ireo olona rehetra marary na avy aiza na avy aiza . Ary mahatsiaro mandrakariva fa Ny Aina avy amin’ny Andriamanitra no vonjena sy ho sitranina, araky ny teny Filamatranareo.

Andriamanitra mankahery anareo mandritra ny fiainana manontolo .
Ary isaorana indrinda ny Ray amandreninareo , nahabe anareo ary nahafoy vola amankarena nampianatra anareo ary aza adino ny manao ny valibabena amin’ izy ireo .
Aza manadino ity toerana Akamasoa feno fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namana , izay nanampy anareo mandritra 3 taona.

Ny tsara azonareo eto Akamasoa , ento miaraka aminareo , raha nisy , tsy mety , avelao aty .
Farany dia “ ROSO NY DIA “,tarigetra ny fankalazana ny 35 taona ny Fihetsika Akamasoa , ka aza miverin-dalana naovianana naovianana . Andriamanitra Fitiavana manampy anareo amin’ny asa rehetra ataonareo mitsabo ny olona rehetra tsy ankanavaka .
Ho ela velona ny ray aman-dreninareo ,Ho ela velona ny Professeurs , Dokotera sy infermières sy Sage femme nampianatra anareo .

Ho ela velona i Mme Monique Premiere responsable ny Université sy mpiara miasa aminy .
Ho ela Velona ny Promotion ALPHA , première promotion des Paramédicaux ato amin’ny Université Saint Vincent de Paul AKAMASOA .
Samia Ho Tahian’ Andriamanitra isika rehetra .

TSO-DRANO
Andriamanitra,Andriananahary ô!
Nanorina ny tany sy ny Lanitra Ianao, ary Nahary ny olombelona mitovy endrika aminao dia nanome antsika vatana ,saina sy Fanahy mba mahay mifanaja, mifanampy ary mifankatia ny olombelona samy olombelona na avy aiza na avy aiza ary na inona na inona ny Firazanany.
Andriamanitra Rain’ny olombelona rehetra naniraka an’I Jesoa izay nananatra sy namela hafatra amintsika fa isika olombelona mpirahalahy sy mpirahavavy ary mpianadahy ka tokony mahay miara-miaina anatin’ny fifanajana sy fahamarinana sy fifankatiavana mba ho hita taratra fa samy mitovy hasina ny olombelona rehetra na lahy na vavy. Sitrak’Andriamanitra Mpahary,mba mifampizara ny manta sy ny masaka ary mifampizara ny harena rehetra eto ambonin’ny Tany dia ho zaraina ampahamarinana amin’ny olona rehetra mpiray Tanindrazana mba tsy hisy ny mahantra mieritreritra hoe: tsy manana anjara anatin’ny fiaraha-monina sy ny Tanindrazana!

Andriamanitra be Fitiavana sy tia ny olona rehetra tsy ankanavaka, mba sokafy ny fo,saina sy fanahy ireto nahavita fianarana,hitsabo ny marary eran’ny Nosy na amin’ny toerana hafa na ivelany aza, mba mandray sy mitsabo ampanajana, ampahalalàna, ampitiavana sy ankasahiana ny marary rehetra manatona azy.Tsofirano ireto zanakao “Paramedes”,nahazo diplôma androany ,mba ho ela velona,feno hafaliana sy Finoana ary fitiavana, miaraka amin’ny Ray aman-dReny sy ny Mpampianatra,mba mitohy ny fiaraha-miasa aminao Mpahary, mitsabo sy manasitrana ny olona marary rehetra tsy an-kanavaka!
Andriamanitr’ô! Vonjeo, herezo ary arovy amin’ny ratsy rehetra ireto mpitsabo vaovao ,amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina! AMEN